Potika 100% ny fambolem-bary tao amin’ny kaominina Ampanefy tamin’ity taona ity vokatry ny tondra-drano.
Toraka izany koa ny voly anana ankoatra ny trano fonenana izay nahatratra an-jatony. Tsy manan-koraisina intsony ny ankamaroan’ny mponina, raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ramiliarison Fabrice. Miverina manarina fiainana indray ny ankamaroan’ny rehetra noho izany. Niezaka ny namaha ny olana ihany ny Ben’ny tanàna saingy tsy arany intsony. Efa nanolotra fampitaovana ho an’ireo rava trano izy ireo. Manoloana ireo tranga ireo dia manao antso avo amin’ny fanjakana ity Ben’ny tanàna ity mba hijery akaiky azy ireo. Tena sahirana ny mponina, latsaka an-katerena tanteraka ka mila famonjena, hoy hatrany izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.