Actualités

AMPAMOAKA BOADEROZY Minisitra, depiote, sinoa no tena atidoha


  • Alarobia 02 Septambra 2015

Hatramin’izay dia nanjavozavo hatrany ny manodidina ity raharahan’andramena ity.

 

 Ankehitriny dia  misy lisitra tonga eny am-pelatanan’ny masoivoho vahiny iray eto Madagasikara, ary azon’ny mpanao gazety ihany koa  izay mitanisa ny anaran’ireo mpanondrana an-tsokosoko ny andramena eto Madagasikara

Vola be

Efa manodidina ny   1.960.200.000.000  Ar  (690 tapitrisa dolara) hatramin’izay (mety mbola ambony noho izany aza) ny vola azo avy amin’ity trafika goavambe ity, araka ny tatitra ao anatin’ilay antontan-taratasy. Azo nanamboarana lalana vita tara 1 960 km manerana an’i Madagasikara io vola be io, mbola nisy fameriny betsaka raha nikarakarana ny fifidianana filoha sy solombavambahoaka ary ben’ny tanàna, ary nahafahana nampiditra an-tsekoly mpianatra fanabeazana fototra zaza malagasy 2 741 538 hianatra maimaimpoana sady mahazo sakafo 3 000 Ar isan’andro mandritra ny 9 volana. Ary raha raisina hoe 17 tapitrisa ny Malagasy, tena sahirana fadiranovana ny 92%-n’ireo, izany hoe olona miisa 15 640 000, dia mbola mahazo 125 332 Ar isanisany ireo olona ireo raha zaraina aminy io volabe nihodina tamin’ny aferana boaderozy io. Olom-bitsy ihany anefa no mahazo tombontsoa sy miha manankarena isan’andro amin’ny fitrandrahana tsy am-piheverana ity harem-pirenena ity.

Depiote sy minisitra

Anaran’olona miisa 20 mahery no voatonona ao amin’ity antontan-taratasy ity. Solombavambahoaka am-perinasa ny iray izay voatondro fa manana boaderozy 81 kaontenera ary efa nahazo vola hatrany amin’ny 16,2 tapitrisa dolara ; eo ihany koa solombavambahoaka teo  aloha izay voalaza fa nanondrana boaderozy hatrany amin’ny 151 kaontenera ka nahazo vola be manodidina ny 30,4 tapitrisa dolara. Misy minisitra iray sy teratany sinoa iray izay tena mpandraharaha lehibe eto Madagasikara voatondro fa efa nahavita nanondrana boaderozy hatramin’ny 300 kaontenera koa  voaresaka ao anatin’ity antontan-taratasy ity. Etsy an-kilan’izay dia saika mpandraharaha sy mpitantana trano fandraisam-bahiny any   Vohemar sy Sambava ary Antalaha avokoa no tena voatonontonona.

 Miray petsapetsa

Tsara homarihina ihany koa  fa misy amin’ireo anarana nomen’ny praiminisitra teo aloha Omer  Beriziky  no tafiditra ao anatin’ity antontan-taratasy ity. Ny  tale  jeneralin’ny Bianco nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny hotely  Ibis dia efa nanambara  fa sarotra ny manao io fanadihadiana andramena io satria mila  famatsiam-bola hanaovana ny  fivezevezena.  Rehefa ampidirina eny anivon’ny fitsarana anefa ny antontan-taratasy, hoy izy dia  tsy  misy tohiny  intsony. Azo  antoka anefa fa  ny tsy fahafehezan’ny  fanjakana  malagasy  ity resaka risorison’andramena ity dia tsy  hanomezan’ny  vahiny fitokisana antsika Malagasy mihitsy. Tamin’ny fanombohan’ny krizy ny volana febroary 2009 no nanomboka tena niroborobo ny trafikana boaderozy na andramena tany amin’iny tapany avaratra atsinanan’ny nosy iny. Efa fantatra ihany ireo manao azy sy ny toerana hanondranana ny hazo sarobidy, saingy  toa mikatso foana ny fanadihadiana sy ny fitsarana. Io no mahatonga ny olona hilaza fa misy ny manampahefana tafiditra ao anatin’ity afera ity ka izy ireo mihitsy no manao ny fomba rehetra tsy hivoahan’ny marina momba ny boaderozy ary mety resaka fotsiny ny fianianana nataoan’ny filoha Rajaonarimampianina hiady amin’ny fandripahana ny harem-pirenena tamin’ny 25 janoary 2014 fa tsy hisy asa mivaingana mihitsy.


Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT