Actualités

Amido Sabity Matahotra fifidianana ireo mivoy ny resaka “Ni… Ni”


  • Talata 21 Aogositra 2012

Ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara dia tsy ao anatin’ny fitondrana tetezamita satria nametra-pialana tsy ho CST ny filohanay Rtoa Sarah Georget Rabearisoa, hoy Atoa Amido Sabity.

 Na ivelan’ny fitondrana aza anefa dia miasa ny Maitso, hoy ity farany. Amin’izao fotoana izao dia hery iray tsy azo hamaivanina amin’ny fanaovana politika eto amin’ny firenena ny Maitso satria izahay dia vonona handray anjara amin’ny fifidianana rehetra hifanesy manomboka amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ka hatrany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ka hivoaka aorian’ny zaikabe nasionaly hataonay ny anaran’ireo kandidà rehetra, hoy hatrany i Amido. Miomana amin’ny fandraisana fahefana amin’ny fomba demokratika ny Maitso ka manabe ny mpikambany manerana an’i Madagasikara sy ny vahoaka, hoy hatrany i Amido satria izay ihany ny lalan-tokana maharitra fa tsy adilahy na kajikajy politika akory miafara amin’ny fisian’ny tsy maty manota akory.

Ny antoko Maitso, hoy Atoa Amido dia tsy mandray fahefana afa-tsy amin’ny alalan’ny fifidianana ihany satria izahay dia tsy tia ny fampiasan-kery. Mikasika ny raharaha politika eto amin’ny firenena dia nomarihan’Atoa Amido fa sarotra ho an’ny mpanao politika Malagasy ny manapa-kevitra eto amin’ny taniny ka ny avy any ivelany no mametraka fepetra. Koa tsy mahagaga raha mihemotra lava ny tetezamita ka lasa tetezamitatra. Betsaka ny kajikajy politika sy fatahorana eo amin’ny mpanao politika malagasy, hoy izy. Ankehitriny izao dia voizina ny resaka hoe “Ni…Ni”. Io dia hevitra vao novoizina noho ny tahotra ny sasany, hoy ity mpanao politika ity. Milaza ny filohan’ny tetezamita fa hoe : tsy mbola feno ny fepetra hilatsahan’ny filoha teo aloha. Aminay dia tsy anjaran’ny olona mieritreritra ny hilatsaka hofidiana ny hilaza fa tsy afaka milatsaka ny mpifanandrina aminy. Anjaran’ny fitsarana no manapaka raha feno ny fepetra tokony hahazoan’ny olona iray milatsaka, hoy i Amido namarana ny fanazavany. 

Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT