Izahay mpikambana ao amin’ny « Amical des Cadres du MEN » voan’ny antsojay mafy tamin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ankehitriny toy ny famindran-toerana tsy misy fierana, fizahozahoana arak’asa ataon’ireo mpiara miasa aminy vaovao, tsindrihazolena, fanavakavahana ara-pihaviana,
fiavonavonana, tsy fahaiza miasa, didiko fe-lehibe, fanamparam-pahefana amin’ny mpiasa madinika, dia manamafy etoana fa saro-piaro amin’ny tsy maintsy hanajana ny lalàmpanorenana izahay. Manameloka ny herisetra atao amin’ny Malagasy indrindra fa amin’ny Solombavambahoaka. Manameloka ny tsindrihazolena ataon’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena amin’ny « Cadre du MEN » amin’izao fotoana izao”. Noho izany dia manohana tsy misy fepetra ny fehin-kevitra naroson’ireo Solombavambahoaka 121 amin’ny fialan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izahay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.