Tsy marina ny filazana fa hoe ny polisy tsy manao ny asany no mahatonga ny amboteazy, hoy ny Kaomisera Ranaivoson Alexandre tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana. Tsy marina ihany koa, hoy izy, ny hoe : rehefa misy mpitandro ny filaminana eo dia misy ny amboteazy.
Ny zava-misy dia ny hoe : rehefa tsy misy mpitandro ny filaminana eo amin’ny toerana iray dia misisika any amin’izay ahafahany ny fiara tsirairay dia ianao anatin’ireny fiara ireny na taxibe no mahatsiaro fahafaham-po hoe : afaka sahady izahay. Fa rehefa misy polisy eo, hoy izy, dia tsy maintsy misy ny ajanona ary misy ny alefa ka tsy maintsy misy izany fitohanana kely miandry ny anjarany ilay tokony handeha. Ary aza adinoina, hoy ny Kaomisera Alexandre, fa vokatry ny tsy fahampian’ny isa dia miasa adiny 8 na 9 ireny polisy ireny eo amin’ny arabe. Na tiana na tsy tiana amin’ny maha olombelona dia reraka.
Misy fiantraikany daholo na io fivezivezen’ny fiara eo amin’ny maso io aza, hoy ity kaomisera ity, ny harerahana … Ka misy fotoana amin’izany maha olombelona izay mety tsy lavorary ny ataony rehetra noho ny harerahana ihany koa. Nambaran-dRanaivoson Alexandre mazava fa raha ny fenitra iraisam-pirenena dia polisy 3 no misahana olona 1000. Eto amintsika anefa dia tsy ampy polisy iray akory rehefa atao ny salan’isa no miandraikitra olona 3000. Raha ohatra ka manodidina ny 8000 eo ny polisy am-perinasa eto amintsika ankehitriny dia tadidio fa 60.000 no mbola ilaina ka miankina amin’ny teo-bolam-panjakana ny fahazoana manampy izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.