Actualités

Ambositra Kolonely sarona niaraka amin’ny rongony 9 baoritra


  • Talata 18 Mey 2010

Manao ny danin’ny kibony mihitsy ny manamboninahitra miaramila sasany eto amin’ny firenena ankehitriny. Isan’andro dia tsy maintsy misy resaka maloto foana ataon’izy ireo. Afak’omaly izao ity dia tany Ambositra indray no nisy miaramila manamboninahitra Lietna kolonely manao aferana rongony.

Nisy fahasimbana ny fiaran’ity lietna kolonely ity tamin’iny lalam-pirenena faha-7 iny. Nanakana kamio ny lehilahy mba hitondra ireo entany 9 baoritra ka any Ambositra no nifanarahana hametrahana azy. Tonga tany soa aman-tsara ilay entana saingy rehefa nampidinina vao tsikaritra ho hafahafa.

Ny mpamily ilay kamio sy ny mpanampy azy no nibata ireo baoritra nampidina azy. Gaga anefa izy ireo toa naheno fofompofona rongony. Tapa-kevitra izy ireo ny hisava mandra-piandry ilay kolonely tompony. Teo vao talanjona fa rongony daholo no tao anatin’ireo baoritra ary feno hipokipoka izy ireo.
Nampandre avy hatrany ny tompon’andrikitra tao Ambositra ilay mpamily ka nandrasam-potsiny ilay lietna kolonely ho tonga. Noraisim-potsiny izy rehefa haka ireo entana ary avy hatrany dia navantana any amin’ny biraon’ny zandary atao famotorana. Ho hita indray ny tohiny. Araka ny fantatra dia lietna kolonely lehibena toby miaramila any amin’iny faritra atsimo iny izy.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT