Namoaka didim-pitondrana laharana 30-03/09/15 ny faritra Boeny mampiato ny fitrandrahana fasika ao Amborovy Mahajanga
. Raha ny zava-misy dia niteraka korontana teo amin’ireo mponina sy ireo mpitrandraka ny fakana fasika amin’io toerana satria dia efa lasa lavaka be ny toerana misy azy io ka tandindonin-doza ireo olona manan-trano eo. Ny taona 2013 no fe-potoana farany nahafahan’ireo mpitrandraka naka fasika teo amin’ilay toerana ary enim-bolana ny faharetany izay ny faritra Boeny no nanome alalana. Efa dila ela io fe-potoana io saingy mbola nanohy hatrany ireo mpitrandraka. Nandray fanapahan-kevitra ny fiadidiana ny faritra fa tsy azo atao intsony ny maka fasika ao fa ao Mahamavo miditra an’Ambalakida indray izao no azo itrandrahana.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.