Fandaharan’asa hananan’ny Fokontany rehetra manerana ny nosy birao ara-dalŕna ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP),
izay notohanan’ny mpamatsy vola sy neken’ny mpanao lalàna Malagasy tamin’izany fotoana izany, nefa nariana an-jôridira tao anatin’ny tetezamita sy amin’izao fitondrana izao. Vokatr’izany dia betsaka amin’ireo Fokontany manerana ny Nosy, na ireo amin’ny Kaominina ambonivohitra aza, dia manoatra noho ny tranon’akoho ny biraon’ny Fokontany handraisany olona sy anaovany ny asany. Anisan’ireny ny biraon’ny Fokontany ao Ambolomadinika P/elle 13/21 Toamasina renivohitra izay notsidihan’ny minisitry ny rano sy ny fidiovana Rtoa Ndahimananjara Johannita ny sabotsy tolakandro teo, ka nanolorany fanitso entina hanamboarana birao “tsara” aloha, hahafahana mandray olona sy manao ny asam-pokonolona. Nahazo anjara fanitso ihany koa ny tao Tanambao V P/elle 13/73 hanamboarana tranompokonolona. Nahazo solosaina sy ireo fitaovana mifanaraka amin’izany ihany koa ny Fokontany Andranomadio P/elle 11/42, ny olana anefa dia tsy misy ny jiro ampiasaina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.