Actualités

Ambohitrimanjaka Rongony 38 gony nodorana


  • Alakamisy 05 Jona 2014

Voasambotry ny polisy ny lehilahy iray, 39 taona, mpamongady rongony eto an-drenivohitra.

Eny amin’ny faritra Ambohibao Iavoloha no voalaza fa misy azy ary izy mitatitra rongony amin’ny fiara no narahan’ny polisy maso. Ny harivan’ny talata 03 jona teo dia nosakanan’ny polisy teny Tanjombato ny fiarany raha handeha hanatitra rongony. Rehefa nosavaina ilay fiara dia nahitana rongony 5 gony, ary tany an-tranony teny Iavoloha dia nahitana 33 gony sy gony miisa 40 izay efa lafony daholo ny tao anatiny. Tamin’ny fanadihadiana azy dia nilaza izy fa avy any Betroka ireo rongony ireo ary 60.000 Ariary no hividianany ny gony 30kg ary amidiny 200.000 Ariary. Nilaza koa izy fa tena azy ny rongony ary eny amin’ny faritra 67Ha, IVO ary Anosibe no ivarotany azy ary mpamongady rongony izy. Nodorana teny Ambohitrimanjaka ireo rongony ireo ny talata atoandro, teo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana ary ny tompon’ilay rongony. Hatolotra ny fampanoavana anio ilay mpamongady rongony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT