Actualités

Ambohipo sy Ankatso II Mihetsiketsika ireo tanora mpianatra


  • Talata 23 Novambra 2010

Na dia tsy re feo firy aza dia fantatra fa mafampana indray eny Ambohipo sy Ankatso II misy ny toeram-ponenan’ny mpianatry ny oniversite eny.

Tato anatin’ny telo herinandro mantsy izao, araka ny vaovao voaray dia misesisesy ny fivoriana sy ny fihaonana eo amin’ireo fikambanan’ny mpianatra, ary tamin’ny faran’ny herinandro teo dia efa nitatra any amin’ireo tanora amin’ny manodidina, izay tsy mpianatr’Ankatso izany fivoriana izany. Araka ny tsiliantsofina re ihany dia fantatra fa misy olona akaikina mpanao politika mifampireska amin’ireo andiana tanora ireo ary toa hoe misy ihany koa ny fizarana vola, izay matevitevina ihany. Ho an’ireo mahafantatra tsara ny eny amin’ny Cité U dia tsy tongatonga ho azy izany rehetra izany fa misy antony mazava saingy io antony io no mbola baraingo hatramin’izao. Tafiditra ao anatin’ny raharaha politika foana mantsy hatramin’ny 1972 ny mpianatra eny Ankatso, ary maro mihitsy no malaza ho mpikarama an’adin’ireo mpanao politika, ary samy manana ny ekipany daholo na ny mpanohana na ny mpanohitra ny fitondrana.

Mbola manjavozavo anefa hatreto hoe, mpanao politika miandany amin’iza marina no manetsiketsika ireto mpianatra eny Ambohipo sy Ankatso II ireto ? Ary inona no tanjona tratrariny ? Araka ny resaka manomboka miparitaka eny an-toerana dia toa hoe misy andiana tanora miketrika zavatra hatao eto an-drenivohitra eto, efa nahazo vola izy ireo ary voalaza fa manana fitaovana ihany koa. Grevy eny an-dalambe ve, sa sanatria asa fampihorohoroana sy fandrobana ? Tsy mbola fantatra mihitsy ny tena marina. Araka ny tsiliantsofina re ihany dia efa mahafantatra ity drafitra ity ihany koa ny mpitandro ny filaminana, ary tsy hitazam-potsiny ny fambolena korontana eto an-drenivohitra.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT