Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany no nigadona tetsy Ambohimangakely ireo jiolahy mitazona kalachnikov efatra sy basy poleta (P.A) iray.
Trano efatra no nataon’ireo lasibatra saingy tao amin’ny iray izy ireo no tena nahavoa. Tao amin’ny tranon’ny mpitsabo iray izay monina ao Ambohitrombihavana, raha araka ny fantatra. Lasa tao ny vola mitentina 100 tapitrisa ariary niaraka tamin’ny firavaka volamena izay tombanana ho eo amin’ny 20 grama eo ary koa ny finday miisa folo. Raha ny fijerin’ireo voatafika azy dia mbola tanora tokoa, mba tsy hilazana hoe zaza, ny efatra tamin’ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy izy ireo raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Izany rahateo no nanamora ny fanafihana. Nivarahontsana avy hatrany mantsy ny tompon-trano ary nanome izay notadiavin’ireto olon-dratsy izay hita ho tena vonona tanteraka hanao ny «asany» rehefa nanapoaka basy. Mbola ny mpitandro ny filaminana hatrany no nahafantarana fa tokantrano telo hafa teo amin’ny manodidina no mbola norobain’ireo olon-dratsy mitovy ireo hatrany tao anatin’iny alina iray iny. Tonga teny an-toerana ny Emmo-Reg ary izany no nanampy tamin’ny tsy nahavitan’ireo olon-dratsy ny fanafihana tanteraka ireo tokantrano telo hafa.
Na izany aza aloha dia efa lasan’izy ireo ny an-jatony tapitrisa maro vao tonga ny mpitandro ny filaminana izay nanao ny fanenjehana azy ireo. Nitohy hatramin’ny omaly izany raha araka ny fantatra. Zavatra roa hatrany no mampanontany tena ny mpanara-baovao manodidina ity firongatry ny asan-jiolahy ity. Ahoana ny fomba hahafantaran’ireo ny misy ireo tokantrano mitahiry vola ? Ahoana ihany koa ny fomba hananan’izy ireo fitaovam-piadiana mahery vaika hatrany mba hanatontosany ny fanafihana ? Hatreto aloha, raha nezahina ny hahazoana fanazavana momba izany dia mitovy hatrany ny valin-teny azo. Entina handotoana ny eto an-drenivohitra ireny asan-jiolahy ireny ary tsy iza fa ireo mpanohitra ny fitondrana tetezamita no ao ambadik’izany. Raha horaisina amin’izay tokoa ary, maninona ireo jiolahy no manao lasibatra ireo izay manam-bola hatrany ary koa mahafantatra izay misy ny vola?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.