Fifampitifirana iray hafa indray no nitranga tetsy Ambohimanarina ny alin’ny alahady teo. Nanomboka tamin’ny sivy alina teo izany ary tsy nijanona raha tsy tamin’ny iraika ambin’ny folo sy sasany.
Nihorohoro tanteraka ny manodidina an’Antanety Atsimo niaina an’izany. Jiolahy efatra saika handroba mpivarotra mpamongady iray no niaingan’ny tifitifitra. Nitondra basy kalachnikov izy efa-dahy izay avy hatrany dia nitifitra. Asa, mety hampitahorana ireo olona angamba ka hanamora ny fanafihana avy eo. Haingana kosa anefa dia tonga teny an-toerana ny polisy. Teo vao tena raikitra ny fifampitifirana. Samy namaly ny roa tonta. Ireo jiolahy ihany koa niaritra izay nitranga teo ary tsy nanaiky mora foana. Ireo polisy indray dia tsikaritra fa nitandrin-tena raha nahita ny elakelan-trano tena maizina izay nidiran’ireo jiolahy. Teo no hita ho bahana tamin’ny fisamborana ireo farany. Voatery nifampitifitra fotsiny teo mba hanamarihana fa samy sahy. Tsy nisy ny aina nafoy, tsy vaky ihany koa ilay toeram-pivarotana ary tafaporitsaka ihany koa ireo jiolahy. Raha ny filazan’ny olona teny an-toerana dia miverimberina saika isan’alina ny poa-basy eny Ambohimanarina. Efa fantapantar’izy ireo ihany koa ny momba ilay andian-jiolahy izay tsy aiza fa mipetraka eo an-toerana ihany. Matahotra anefa izy ireo ny hiteny mivantana amin’ny mpitandro ny filaminana. Antony iray izay heverina ho mampivadika ho faritra mena an’Ambohimanarina izany. tyle type="text/css">
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.