Efa ho tapabolana lasa izao, nanomboka tamin’ny alakamisy 16 aprily 2015 no tsy hitan’ireo ray aman-dreniny popoka izay misy an’i Andry Fanomezantsoa Richard na i Andry zatovolahy vao 12 taona niaraka amin’ny zatovovavy vao 15 taona antsoina hoe “Tiana”.
Samy tsy ampy taona ireto zatovo ireto ary nitsoaka ny tranon-dray aman-dreniny avy. Raha ny fanazavana nomen’ireo ray aman-drenin’i Andry dia efa tao an-trano ny zanany ny harivan’io alakamisy 16 aprily io no nisy tovovavy roa tonga niantso azy, i Tiana no iray amin’ireo. Efa nosakanan-drahavavin-dreniny izay naheno ny resaka nifanaovan’izy telo i Andry tsy hiaraka amin’ireo tovovavy ireo fa lasa ihany. Tsy hita izay misy azy ireo hatramin’izao fa mbetika miteny hoe any Toamasina, indraindray milaza fa any Mahajanga. Efa nifanatona ireo ray aman-drenin’ny roa tonta tamin’ny fikarohana azy ireo saingy hatramin’izao dia tsy misy mangirana ny fahitana azy ireo. Ny zoma 17 aprily, raha ny fitantaran’ny renin’i Andry dia naharay antso avy amin’ilay zatovovavy izy fa any Toamasina izy ireo. Ny alahadin’io dia lehilahy lehibe iray indray nandray ny antso natao tamin’ny telefaonina ka nilaza fa handefa azy mianadahy amin’ny taksiborosy hody aty Antananarivo ka tokony hotsenaina izy ireo. Tsy hita teny an-toerana mihitsy anefa na dia nandrasana fatratra aza. Marihana fa samy ao amin’ny “classe de 5è) ao amin’ny CEG Ambohimanambola izy ireo. Efa eo am-pelatanan’ny zandary Ambohimanambola ny fitorian’ny ray aman-drenin’i Andry raha teny amin’ny zandary Fiadanana kosa no nametraka ny fitarainany ireo ray aman-drenin’i Tiana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.