Nirehitra omaly tolak’andro ny tobim-pamatsiana herinaratra an’ny kaompania Henri Fraise eny Ambohimanambola. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny afo sy ny haben’ny fahavoazana
. Ny re fotsiny omaly dia hoe gropy famokarana herinaratra 4 no voakasiky ny fahamaizana. Ny tompon’andraikitra teo anivon’ny orinasa Jirama azo tamin’ny antso an-tariby no nanamafy fa tsy ny azy ireo no nirehitra fa ny an’ny kaompania Henri Fraise. Nisy fiantraikany tamin’ny famatsiana herinaratra ka nahatoga delestazy tamina faritra maromaro teto Antananarivo io fahasimbana io. Anio maraina ihany anefa, araka ny fanazavana avy amin’ny Jirama, dia efa hanamboatra ny simba ny orinasa Henri Fraise mba hamerenana amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.