Nirehitra ny toby famokarana herinaratra eny Ambohimanambola, tao amin’ny “cellule disjoncteur” an’ny orinasa Aggreko omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy fahefany.
Niteraka fahatapahan’ny herinaratra tampoka ho an’ny tambajotra iraisan’Antananarivo izany omaly maraina, ka tsy nisian’ny herinaratra teto an-drenivohitra sy manodidina. Efa voavaha ny olana ary tsy misy atahorana ny delestazy raha ny fanazavan’ny eo anivon’ny orinasa JIRAMA. Araka ny fanazavan’i Feno Randrianarison, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa dia 25MW no tsy mandeha, izany hoe miala ao anatin’ny filan’Antananarivo taorian’io firehetana niseho omaly io. Raha ny tombana vonjimaika dia fahanteran’ny fitaovana no niteraka ny fipoahana, araka ny fanazavan-dRandrianjafiarison Solo Herizo, talen’ny famokarana eo anivon’ny Jirama. Mbola ampy ho an’ny famatsiana an’Antananarivo anefa ny famatsiana herinaratra ary tsy hisy olana amin’ny famatsiana. Marihina fa 45MW ny herinaratra vokarina eny amin’ny toby Ambohimanambola, ka 20MW sisa vokatra ao herinaratra ao an-toerana mandra-pahitana vahaolana amin’ny fanarenana ilay fahapotehana omaly. Milaza moa ny eo anivon’ny Jirama fa manana ambim-bava isika amin’ny famokarana herinaratra, ka dia mampanantena izy ireo fa tsy hisy fiantraikany amin’ny famatsiana herinaratra ity zava-niseho ity.Ny somary mahatsikaiky amin’ity raharaha ity dia vao tamin’ny herinandro lasa iny ny filohampirenena no nanao fanambarana fa olana tsy dia mitombina loatra (faux problème) ny resaka delestazy. Kolon-tsain’ny moramora sy ny mora manadino marina angamba no misy eto e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.