Actualités

Ambohimamory Ampitatafika Nisy nanafika ny trano fivorian-dry Fidy mpanentana


  • Alakamisy 02 Aprily 2015

Tena misy mifofo ny ain’i Fidy mpanentana raha ny zava-nisy tao ho ao no asian-teny.

 

 Ny zoma faha-27 martsa 2015 dia nisy lehilahy maromaro nihaodihaody nanodidina ny tranony etsy Andavamamba ary nanontany ny vadiny nivoaka hiantsena andro harivariva tokony ho tamin’ny 5 ora tany ho any, hoe aiza no misy ny tranon’i Fidy mpanentana ? Dia natoron-dramatoa izay tsy fantatr’ireto mpanontany ilay trano saingy nolazainy fa toa tsy ao izy. Tena tsy tao tokoa i Fidy mpanentana tamin’io andro io fa tavela alinalina tany Ambohimamory toeram-pivoriany sy ireo namany saingy efa nampahafantarin’ity vadiny ny zava-nisy an-telefaonina. Olona mikasa hanao zavatra hafa ireo raha ny tombana nandeha satria raha mpitandro ny filaminana tena hisambotra tonga dia nanatona ny trano avy hatrany fa tsy nihaodihaody tahaka izao ary i Fidy mpanentana dia efa nilaza fa tsy handositra velively raha mety hisy fisamborana ataon’ny fanjakana azy. Ny alatsinainy 30 martsa teo anefa dia nisy andian’olona nitam-piadiana nanafika ny trano fivoriana sy fifanentanan’ireo namany mpanentana ka rehefa tsy hitan-dry zareo tao i Fidy mpanentana rehefa nokarohina ny efitra rehetra dia nasain’ireo jiolahy namoaka vola ny olona tao an-trano.

Very ny vola 12 tapitrisa Ar

Voatery namoaka vola ihany anefa ireo voambana rehefa nolazain’ireto olon-dratsy fa hovonoin’izy ireo ny zaza iray nataony takalon’aina raha tsy misy vola mivoka eo. Ary dia lasan-dry zareo tokoa ny 12 tapitrisa Ar. Marihina fa tsy tratran’ireo olon-dratsy tao indray i Fidy mpanentana na dia voalaza aza fa toerana ahitana azy matetika ankoatra  ny eny Andavamamba io eny Ambohimamory Ampitatafika io. Dia mipetraka tokoa ny fanontaniana hoe noho ny zava-miafina nafenin’ireo mpanao politika sy mpitondra fivavahana nolazainy fa fototry ny krizy sy ny olana eto amin’ny firenena ve ka nambarany  tamin’ny haino aman-jery  fa havoakany tsy ho ela an-kapila no mahatonga izao fifofoana aina izao ?

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT