Actualités

Ambohijafy - Toamasina May ny “Club moto”


  • Alakamisy 16 Aprily 2015

Vokatry ny herinaratra, hoy ny tompon-trano sy ny mpitandro ny filaminana ; vokatry ny zavatra tsy fantatra, hoy ny mpamonjy voina ; vokatry ny lasantsy sy “batterie” nofahanana, hoy ny mpiasa tsy nitonona anarana.

 

 Izay no fanazavana azo momba ity hain-trano tao amin’ny “club moto” Ambohijafy avaratra ity izay an’ny zaodahin’ny Jly Paza Didier Gerard lehiben’ny zandary Malagasy.

 

Mpivarotra moto moa ity may ka mora niredaka ny afo noho ireo lasantsy sy fitaovana mora mirehitra tao ambony rihana nitrangan’ny afo. Nifandrimbonan’ny mpamonjy voina ny kaominina sy ny seranan-tsambo ary an’Ambatovy ny famonoana ny afo. Na izany aza, ora 3 taty aoriana vao tena voafehy tanteraka ny afo. Tsy nisy loatra ny tena fahamaizana tamin’ireo moto amidy, fa ireo kojakoja fampiasa amin’izany ihany no may ny ankamaroany. Tsy nisy ihany koa ny maty sy ny naratra, fa tena nijoalajoala ny afo vokatr’ireo lasantsy sy “batterie” tao ambony rihana. Nifandrimbona nanampy ny zaodahin’ny SEG Jly Paza Didier Gerard avokoa ny polisy, ny zandary ary ny tafika, izay tsy nahatonga ny fahavoazana ho betsaka sy ho goavana tao amin’ny “club moto”.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT