Mbola latsaky ny 35 % ireo olona mahazo rano fisotro madio manerana ny Nosy hatreto. Voakasik’izany manokana ny kaominina ambanivohitra toy ny iainan’ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ambohijafy Fenoarivo Atsimondrano. Mbola mahazo vahana ny fampiasana rano tsy azo antoka ka mahatonga ny aretim-pivalalana …
indrindra fa ho an’ireo ankizy madinika. Mba ho fanampiana ireo mponina ao an-toerana ary dia tonga nanolotra lava-drano manara-penitra ho azy ireo ny orinasa Vivo Energy. Niarahany tamin’ny mpianatra ao anatin’ny vondrona “Ankizim-bahoaka” manovo fahalalana eo anivon’ny sekoly ambony INSCAE izany ao anatin’ny fanatanterahana ilay fandaharan’asa “ Comportement du Manager” entina hanatsarana ny fiainan’ny mponina amin’ny andavanandro. Ny faran’ny herinandro teo no notokanana tamim-pomba ôfisialy ny foto-drafitrasa. Marihina moa fa anisan’ny asa tanterahin’ny Vivo Energy eto amintsika ny fanohanana sy ny fanampiana ireo olona marefo eny anivon’ny fiaraha-monina tahaka ireny. Tafiditra ao anatin’izany ny ankizy izay hampianariny dieny mbola kely hampiasana sy hisotro rano fisotro madio ho fitandroana ny fahasalaman’izy ireo. Tonga nanatrika ny lanonana ny Ben’ny tanànan’i Fenoarivo, ny sefom-pokontany, ireo mponina ao Ambohijafy ary ireo mpianatry ny INSCAE.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.