Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina namoizana ain’olona roa teny Ambohidahy Ankadindramamy omaly alatsinainy 03 mey, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro. Fiarabe iray 508 handeha haka toerana hanala ireo provandy 56 lasaka tao anatiny no nipotsaka tsindry hisatra tampoka ka nifaoka ireo olona nividy zavatra tamin’ny sisin-dalana misy ireo mpivarotra enta-madinika maro isan-karazany. Vokany, olona iray no maty teo no ho eo raha efa tonga tany amin’ny hopitaly Hjra kosa vao namoy ny ainy ny iray hafa. Araka ny fanadihadiana natao dia olona nandeha tamin’ny sisin-dalana avokoa ireo namoy ny ainy ireo. Ankoatra ireto farany dia telo no naratra mafy. Ny roa tamin’izy ireo mbola tany amin’ny trano fameloman’aina hatramin’ny omaly hariva fotoana nandalovanay teny an-toerana raha mahatsiaro tena tsara saingy mbola reraka mafy ny iray. Marihina fa avy any Talatamaty ity fiara vaventy tra-doza ity no niainga. Niezaka niantso sy nanaitra ny olona teny amin’ny sisin-dalana ny mpanampy ny mpamily nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza saingy ny tampoka tsy mahalehilahy, ka tsy nisy vokany izany. Efa fantatr’ity mpanampy ny mpamily ity mantsy fa nipotsaka tsindry hisatra ny fiara nentiny. Ny niafaran’ilay fiara dia nankinin’ilay mpamily tamin’ny sisin-tany, toerana nahafahany namily ny lalany. Nentin’ny polisy nanaraka azy avy hatrany itsy voalohany taorian’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.