Actualités

Ambohidahy Ankadindramamy Faty nikararana


  • Zoma 07 Desambra 2012

Namono olona indray ny lalana fidinam-be misy tsena ao amin’ny Fokontany Ambohidahy Ankadindramamy Boriborintany faha-5, Antananarivo Renivohitra omaly alakamisy 06 desambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

 Fiara Mercedes 508 iray nitondra vary telo taonina indray mantsy no nipotsaka tsindry hisatra ka namono olona niisa 14 omaly hatramin’ny valo ora alina. Ankoatra ireo olona naratra tsaboina any amin’ny hopitaly HJRA sy HOMI, nisy folo mahery ihany koa, miady amin’ny fahafatesana. Nandriaka ny ra ary lasibatra voalohany tamin’ity loza ity ireo mpivarotra amoron-dalana, ankoatra ireo tao anaty fiarabe izay fantatra ihany koa fa nisy namoy ny ainy ary ireo mpandeha an-tongotra mpiantsena. Fahatapahana tongotra sy tanana no kely indrindra tamin’ny ratra nahazo ireo olona am-polony raha fahatapahan-doha toy ny nahazo ireo zaza kely no nahatsiravina indrindra. Nisy 14 ireo tra-doza nampidirina tao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana 3 no namoy ny ainy tamin’ny 4 ora hariva namoahan’ny mpiandry raharaha tao ny anarana ofisialy.

Tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha kosa dia 12 ireo naratra notsaboina raha ny tarehimarika ofisialy napetak’ireo dokotera mpiandry raharaha tamin’ny dimy ora hariva sady fotoana nandalovanay teny. 11 kosa ireo razana nampidirina tao amin’ny tranom-paty, ka vehivavy ny valo ary ankizy telo, anisany i Anjara roa taona sy tapany sy Emerick Léon izay vao efa-bolana monja. Dimy ihany moa no fantatra anarana tamin’ireo maty ireo fa ny sisa tsy misy fantatra. Feno fianakavian’ny naratra nitangorongorona sy nisomebiseby teo antokotanin’ireo hopitaly roa ireo. Fianakaviana mitaintaina koa amin’ny hoenti-manana amin’ny fitsaboana ny havany fa vidiana daholo ny fanafody ao amin’ireo hopitaly ireo rehefa vita ny fitsaboana maika natao. Araka ny fanazavan’ny Sefom-pokontany ao amin’ny Fokontany Ambohidahy Ankadindramamy dia efa fanindroany amin’izao tato anatin’ny roa taona, no nahitana loza nahafatesana olona mahatsiravina teto amin’ity fidinana be misy tsena ao Ankadindramamy ity, tamin’ny aprily 2011 ny farany. Efa nisy ny fepetra napetrak’izy ireo mikasika ny fisian’ireo mpivarotra amoron-dalana marobe saingy mbola betsaka, hoy izy, ireo minia tsy miraharaha izany ka nitera-doza tahaka izao indray.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT