Tontosa omaly zoma 4 Aogositra 2017 ny fanokanana fotodrafitr’asa fatsakana rano teny amin’ny fokontany Ambohidahy Ambatonakanga.
Fatsakana efa nisy hatramin’ny taona 1975 ity nasiana fanavaozana ity ary izao no tontosa dia noho ny fiara-miasa nisy teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Farmasia Métropole ary ny Fikambana FIMPARA (Fikambanan’ny Mpanjifa Rano Ambohidahy Ambatonakanga), izay mpitantana ity paompin-drano ity amin’izao fotoana izao. 30 eo ho eo no tokantrano misitraka io fotodrafitrasa io, ary latsak’emboka 3 000 Ariary isam-bolana eo ho eo no hifampizaran’ireo tokantrano ireo handoavana ny faktioran’ny rano lany. Tsy dia misy ny olana amin’ny tosiky ny rano eny amin’ity faritra ity hoy hatrany, hoy ny sefom-pokontany Randrianatoandro Andriamparany. Fisaorana mitafotafo no nasetrin’ny Delegen’ny Boriboritany Voalohany ny fanomezana nataon’ny Farmasia Métropole an’ity fokontany ity izay tsara marihina fa tsy voalohany izao fiara-miasa izao fa efa nisy hatrany teo aloha. Ny fanasoavana sy ny fikojana hoy izy no tokony hasetrin’ny mponina mba hampaharitra hatrany ny fotodrafitr’asa. Tonga nanotrona teny an-toerana ny Delegen’ny Boriboritany Voalohany, Raharivelo Tiana Harilaza, ny Tompon’andraikitra avy ao amin’ny Farmasia métropole Dr Rabetsarohana Rakotovao Ravahatra sy ny mpiara miasa aminy, ny Sefo fokontany Ambohidahy Ambatonakanga, ny Filohan’ny Fikambanan’ny Mpanjifa Rano Ambohidahy Ambatonakanga, Rakotobe Claude.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.