Hagagana ny an’ny mponina ao Ambohibary Sambaina
, Distrikan’Antsirabe II fa tsy manan-tsaina isak’alatsinainy toy ny fanaony ny Kaominina, eny fa na ny zandary aza, hoy ny fanamarihana azo tamin’ity herinandro ity. Mikomy amin’ny Fanjakana, sa tsy firaharahiana tsotra izao ? Endriky ny fiandrianam-pirenena anefa ny saina. Ary ny firenena isanisany dia samy mari-pamantarany manokana avy, dia ny saina (fotsy, mena, maitso) sy ny hiram-pirenena. Ny fanajana an’ireo dia mariky ny fitiavan-tanindrazana ary ny fananganan-tsaina farafaharatsiny isaky ny fiandohan’ny herinandro dia famohafohazana izay fitiavan-tanindrazana izay.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.