Halatra tsotra sa tetika hafa ? Nisy nanafika ny tranon’ny ray aman-drenin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina
. Araka ny fitantaran’ny mpiambina dia telo lahy nitonona ho mpiasan’ny Jirama, hanamarina kaontera no tonga teo am-bavahady, omaly tokony ho tamin’ny 11ora antoandro. Nampandroso tsy nanana ahiahy ny mpiambina, roa roalahy izy ireo ary izy ireo ihany koa no tao tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo jiolahy, fa tsy tao ny tompontrano. Ny nahatafidiran’ireo jiolahy no ela, dia nivadika ho daroka izany. Naratra mafy ireo mpiambina, feno ra ny trano ary nofatoran’ireo jiolahy. Nigalabona nisava eran’ny trano ireto farany taorian’izay. Very tamin’izany ny firavaka sy ny vola 2 tapitrisa Ariary miampy finday entin-tanana, izay mampametra-panontaniana ihany ny fomba nahafantaran’ireo jiolahy ny toerana nisy an’ireo. Nihanika tamboho no fomba nialan’ireo jiolahy teny an-toerana, ny iray no nivoaka ny vavahady. Tavela voasaringotry ny fefy vy ny akanjon’ny iray. Tavela tao ihany koa ny kara-panondron’ny iray sy karatra nampiasain’izy ireo ho mpiasan’ny Jirama. Hanampy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ny fahitana ireo.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.