Actualités

Ambohibao Efa miriaria sahady ireo FIS voasambotra


  • Alarobia 12 Mey 2010


Anisan’ny nahoraka ny fisamboran’ny zandary ireo olon’ny FIS tetsy Ambohibao izay voalaza fa «nanotra » Karàna iray teny an-toerana. Nolazain’ireo fa misy fitoriana mahakasika ilay Karàna any aminy ary hampiakarina avy hatrany ny raharaha raha tsy manome vola azy ireo. Volabe an-tapitrisany maro izay tsy nisy teo no ho eo teny amin’ilay Karàna no notadiavin’ireo mpanotra. Nangataka fotoana arak’izany itsy voalohany mba hahafahany manangona ilay vola. Mailo anefa izy ka avy hatrany dia nampandre ny zandary ihany koa tao anatin’izay. Nisy ny vela-pandrika napetraka ary sarona ambodiomby ireo FIS telolahy haka ny vola. Ny nahagaga dia tsy ela akory taorian’izay dia efa hita miriaria sahady indray izy ireo. Raha ny vaovao azo dia nisy ny fandrahonana ilay Karàna mba hanatsoaka ny fitoriany. Nanaiky izany io farany mba ho fiarovana ny ainy. Dia vitavita foana teo ny raharaha...

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT