Nanao bemidina in-droa miantoana teny Ambohibao Antehiroka ny mpiasan’ny minisiteran’ny varotra etsy Ambohidahy tato anatin’ny iray volana teo izay.
Nahatsikaritra tsy fanarahan-dalàna maromaro izy ireo nandritra izany. Tsy mametraka vidin’entana ny mpivarotra sasany, ny hafa tsy mahaloa ara-potoana ny patanty, ao ireo mampiasa mizana sy vatomizana ary koa famarana tsy voamarina. Nahazo fampiantsoana avy hatrany, ho eny Ambohidahy, ireo tsy nanara-dalàna. Mpivarotra folo mahery, raha ny andiany tamin’ity herinandro ity no voaantso. Teny an-toerana ny sasany vao nampahalalaina ny anton’ny fiantsoana sy ny sazy miandry azy ireo. Eo no velon-taraina ireo mpivarotra satria itakiana vola telo ka hatramin’ny dimy ambin’ny folo tapitrisa Ariary. “Na hamidy avokoa aza ny tsenanay tsy voaefa izany. Fotoana tsy mampandeha ny tsena rahateo izao”, hoy ny mpivarotra sendra ny Tia Tanindrazana. “Tsy ny fampitandremana na mba fe-potoana nomena anay, hanitsianay ny tsy mety, fa toa tian-kano tsy tian-kano izy ity”, hoy hatrany izy ireo. Manahy ihany koa ireto mpivarotra enta-madinika ireto “sao mifono fanararaotana”, hanerena azy ireo an-kolaka “hanao fandaminana ara-bola” ny zava-misy, ka anairan’izy ireo ny tompon’andraikitra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.