Actualités

Ambodifilao Novakian’ny polisy ny fitaratry ny fiara, raikitra ny sakoroka


  • Zoma 27 Martsa 2015

Efa manampatra ny fahefany loatra ireo mpitandro ny filaminana ankehitriny. Anisan’izany ny nitranga omaly mitataovovonana tetsy Ambodifilao Analakely fiantsonan’ny taksibe.

 

 Raha ny filazan’ny nanatri-maso, nitaky ny taratasy momba ny fiara ilay polisy. Tsy nanome anefa ilay mpamily ka lasa izy. Tampoka teo anefa dia niverina izy ary nanao amboletra niditra ary niafara tamin’ny famakiana “pare brise” tamin’ny vodi-basiny. Nisafoaka ny olona izay nahita izany ary nanomboka nitangorona. Lasa nitsoaka moramora ilay nahavanon-doza ary  tsikaritra fa tsy nahitana mpitandro filaminana intsony teo nandritra ny fotoana maro. Ny tena nahasosotra ny olona dia ny vavabe nataony hoe :”anay izao ny fahefana ka tsy afa-manao na inona na inona aminay ianareo”. Malaza ho mpanotra sy mpanararao-pahefana ny polisy miasa amin’io toerana io ka mba mamaly ny mpamily.

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT