Fiarakodia 4x4 miloko mainty no nandona ka nahafaty olona 2 teny Ambodiafontsy amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1) ny sabotsy hariva tokony ho tamin’ny 6 ora teo
. Lehilahy iray sy zazalahy kely iray ireto maty tsy tra-drano ireto. Tena nandeha mafy ilay fiara, hoy ireo olona teny amin’ny manodidina nahita ny loza. Ilay mpamily indray dia tsikaritra fa mamo tampona ary mbola sahy namoaka vava fa mahafantatra olona ambony ao amin’ny prezidansa, hono, izy. Efa tena matetika ny loza amin’iny digue mizotra mankany Fenoarivo iny ary eo amin’io faritra Ambodiafontsy io no hitrangan’izany. Maro ireo fiara na an’olon-tsotra io na taksibrosy na fiara be mitatitra entana no tena mandeha mafy ka miteraka loza, misy zandary anefa eo Ampitatafika sy eny Fenoarivo, ka tokony hampitomboina angamba ny fanaraha-maso sy ny fampiasana isan’andro ilay fitaovana fitsirihana ny tahan’ny alikaola ao amin’ny ra ho an’ny mpamily fa efa be loatra ny loza tahaka izao.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.