Actualités

Amboasary Gara Moramanga Mitady hanjaka ny gaboraraka


  • Alarobia 22 Novambra 2017

Anisan’ireo tanàna mandroso eto Madagasikara ny tanànan’Amboasary Gara kaominina Amboasary Gara distrikan’i Moramanga Faritra Alaotra Mangoro.

  Efa manana tobin’ny zandary, efa manana Ceg  sy Lycée hatramin’ny sekolin-dry masera sy sekoly tsy miankina hafa…, efa manana biraon’ny paositra, manana Csb II izy. Hiverina atsy ho atsy koa ny famatsiana herinaratra ao an-tanàna noho ny fiaraha-miasa matotra amin’ny sehatra tsy miankina, efa manana tsena lehibe misokatra isaky ny andro alakamisy ary misy fiara fitaterana mampitohy isan’andro amin’i Moramanga (60 km) sy Ambatondrazaka (98 km). Ny mpivarotra kojakojan-tokantrano fampiasa andavanandro mivarotra eo afovoan-tanàna no mitady hampanjaka ny gaboraraka any an-toerana. Mamelatra entana eny afovoan’ny arabe ny ankamaroan’izy ireo ary ny sasany aza dia eo anoloan’ny tranon’olona manamorona arabe no manao izany. Miezaka ny mandamina ny raharaha ankehitriny ny ben’ny tanànan’Amboasary sy ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana tsy hampitatra ny raharaha amin’ny zavatra hafa.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT