Actualités

Amboasary Atsimo Kere indray ‘ty ndaty


  • Alakamisy 11 Oktobra 2012

Noho ny firongatry ny asan-dahalo saika isan’andro vaky any amin’ny Distrikan’Amboasary Atsimo, Faritra Anosy izay tsy afahan’ny vahoaka mihary, eo ihany koa ny fiantraikan’ny toetr’andro dia maina tanteraka amin’izao ny tany ary tsy misy rano intsony ny reniranon’i Mandrare.

 Manoloana izany dia mijaly tanteraka ny vahoaka any an-toerana. Vokany, niakatra avo roa heny ny vidim-piainana sy ny vidin-javatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro any amin’ity Distrika ity ankehitriny. Araka ny valin’ny fanadihadiana nataona manampahaizana frantsay tany an-toerana, amin’ity volana oktobra ity ihany dia hitranga ny Kere na ny tsy fahampian-tsakafo lalim-paka. Amin’izao fotoana izao mantsy dia efa betsaka amin’ireo mponina any amin’ny Kaominina ambanivohitra no efa mihinana ravin-draketa sy fakan-kazo.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT