Efa manomboka mandry fahalemana ny any Amboasary Atsimo Faritra Anosy ankehitriny, hoy ny depioten’i Madagasikara Angèle Solange lany tany an-toerana, noho ny fiaraha-miasan’ny rehetra toy ny mpitandro ny filaminana, ny fitsarana, ny
Faritra, ny kaominina, ny fokontany, ny solombavambahoaka ary indrindra indrindra ny vahoaka. Efa tafaverina amin’ny toerany araka ny fanirian’ny rehetra ny komandin’ny zandary nitarika ny filaminana tany an-toerana ka nahavelombolo ny rehetra. Eo amin’ny sehatry ny famokarana dia andrandraina ny fampiakaran’ny fitondram-panjakana ny reniranon’i Mandrare hanondraka ny voly any an-toerana fa ho lasa sompitry ny Faritra Atsimo manontolo mihitsy ity distrika ity raha toa ka tanteraka izany. Mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna indray dia efa mirona amin’izany koa ny any Amboasary Atsimo any ankehitriny ka ny antoko HVM sy TIM ary MTS no hita fa tena matanjaka ireo kandidàny avy amin’izany. Marihana anefa fa amin’ity fifidianana ifotony ity dia tsy dia mijery lokon’antoko politika loatra ny mpifidy fa mijery ny hoe : olona iza no tena heverina fa hahavita ny fampandrosoana ny kaominina misy azy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.