Izay no fitakian’ny mponina ao Amboasary Atsimo, mikasika ny fitantanana eny anivon’ny hopitalim-panjakana eny. Nisesy loatra ireo zavatra nitranga tato ho ato mampiahiahy anay, hoy ny solontenan’izy ireo avy ao Tanambe Bas.
Nosinganin’izy ireo tamin’izany ny fahamaizana efa ho in-telo miantoana tao amin’ny trano fitehirizan’entan’ny hopitaly tao Amboasary Atsimo. Tsy vitan’ny fotodrafitrasa simba fa tandindomin-doza koa ny marary satria mahakasika azy ireo ny entana simba.
Voaresaka ary angatahan’izy ireo mangarahara koa ny fitsinjarana ireny lay misy ody moka ireny. Tao amin’ity tanànan’i Tanambe Bas ity dia voalaza fa nisy 100 teo ny olona tsy nahazo nandritra ny fizarana farany teo. Nanao fitarainana mikasika izany izy ireo ary dia nampiandrasana sy nomena fampanantenana fa ho laharampahamehana raha vao nisy “arrivage”. Tonga tokoa ny entana fa tsy anisan’ireo nahazo ireto olona ireto, hoy ihany ny fanazavan’ny solontenan’izy ireo, izay nanao fanamarihana fa ampy ihany ny lay misy ody moka tonga tao Amboasary fa ny fitsinjarana azy no tsy mazava, ka itakian’izy ireo ny hanaovana mangarahara izany, satria izay no efa nimatimatesana teto.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.