Actualités

Ambilanibe Andavamamba Trano efatra no indray may


  • Alatsinainy 17 Jolay 2017

Trano efatra no indray may tetsy amin’ny fokontany Ambilanibe Andavamamba ny sabotsy antoandro teo tokony ho tamin’ny 11 ora. Vokatry ny “court circuit” avy amina tokantrano iray no nahatonga ny loza.

 

 Vokany, vetivety dia niitatra ny afo ka tokantrano telo manodidina ihany koa no lasibatra. Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia tsy tokony ho niitatra be tahaka izao ity hain-trano teny Ambilanibe Andavamamba ity raha tao an-tokantranony avokoa ny tompon-trano. Nisy tamin’izy ireo mantsy no lasa nivoaka ka tsy nisy mihitsy ny  fomba nahafahana nifehy ny afo. Na izany aza dia vetivety foana dia tonga ny mpamonjy voina ka fiarabe miisa telo no indray nanao ny asa. An-tapitrisany maro ny entana lasa lavenona tao anatin’ireo tokantrano efatra ireo saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny naratra mafy. Mbola miantso hatrany ny rehetra ny sampana mpamonjy voina mba samy hitandrina amin’ny afo. Somary maherihery mantsy ny rivotra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao izay manome aina haingana ny afo vetivety tokoa.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT