Actualités

Ambatovy Tafapetraka ireo rafitra hanampy ireo mpiasa


  • Alatsinainy 26 Jolay 2010

Mpiasa 12.000 no handao ny asany noho ny fahataperan’ny dingana fananganana fotodrafitrasa eo anivon’ny tetikasa Ambatovy amin’ny faran’ny taona izao. Tsy mamela azy ireo irery anefa ny Ambatovy fa nametraka birao roa dia ny BRMO sy ALBI izay samy manampy amin’ny famoronana asa vaovao ho an’ireo mpiasa tsy maintsy hesorina.

Raha ny ALBI manokana dia manentana ireo mpiasany fahiny hanangana orinasa madinika azy manokana mba hamatsy ireo vokatra ilain’ny Ambatovy no tanjony. Malalaka rahateo ny tsena satria mila atody efatra alina isa isam-bolana sy akanjo fitondra miasa 4.000 isan-taona ary koa daba valo alina isan-taona koa ny tetikasa izay manafatra ireo avy aty an-drenivohitra na avy any ivelany mihitsy aza. Ho an’ireo izay liana amin’ireo sehatra ireo dia afaka manaraka fiofanana momba ny fambolena sy fiompiana eo anivon’ny «Centre de Formation Agricole» ao Betainomby, Toamasina izy ireo. Mpiasa 843 no efa nisoratra anarana amin’izao fotoana. Ankoatra izay dia vao tafatsangana koa ny rantsana iray manankina amin’ny orinasa tsy miankina ny fisafidianana sy fampiasan’ny fiarahamonina ireo hazo avy nampiasain’ny tsy ilain’ny tetikasa Ambatovy intsony. Anjaran’ny tanàna tsirairay mpahazo tombontsoa no mijery izay ampiasainy ireo hazo ireo na anaovana trano na sekoly na fefy ihany koa.

Ny BRMO indray dia ny fandraisana ny antontan-taratasin’ny mpiasa mitady sy ny fandefasana izany eny anivon’ny sampana rezionalin’ny asa ao Toamasina no sahaniny rehefa misokatra ity farany amin’ny volana septambra izao. 2 volana izao no nisian’ny BRMO ka mpiasa 3.128 no efa nandalo tao amin’ny tao anatin’izay fotoana izay. Ny 66%-n’ny antontan-taratasin’ireo olona ireo no efa voadinika ankehitriny.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT