Actualités

Ambatovy Niravona ihany ny disadisa


  • Alakamisy 09 Septambra 2010

Manoloana ny disadisa niteraka sakoroka tao Tanandava misy ny fotodrafitrasan’ny tetikasa Ambatovy, dia nisy ny dinika nifanaovan’ny solontenan’ireo mpiasa amin’ny dingana fanorenana izay nitokona sy ny mpitantana ny tetikasa Ambatovy ary ny faritra Atsinanana.

Araka ny fantatra àry dia hita ihany ny marimaritra iraisana nifanekena, taorian’ny dinika nafotaka ihany. Rehefa avy nifampidinika tao anatin’ny roa andro àry izy ireo dia fantatra fa hapetraka ny Komity hisahana ny fanaraha-maso ny fandraisana mpiasa. Anisan’ny andraikitra goavana hosahanin’io Komity io ny hijery manokana izay fomba fakana mpiasa mifandraika amin’ny zava-misy any an-toerana, dia ny faritra Atsinanana. Tanjona amin’ny fametrahana io Komity io ny hanamorana araka izay azo atao ny fampidirana ireo zanaky ny faritra amin’ireo asa rehetra eo anivon’ny tetikasa Ambatovy. Nandritry ny dinika dia toerana 40 fanampiny no hitadiavan’ny tetikasa mpiasa. Ankoatra izay dia hisy ny karazana tatitra momba ireo mpiasa noraisina hivoaka amin’ny faran’ity volana septambra ity. Izay rehetra miasa ao amin’ny tetikasa Ambatovy amin’izao dingana fanorenana izao moa dia afaka manao fangatahana hiasa amin’ny tetikasa ary dia hijery manokana azy ireo ny tetikasa, araka ny fifanarahana nifanaovana ihany. Nanomboka ny 1 septambra lasa teo dia tsy handoavana karama izay andro tapaka tsy niasana araka izay fifanarahana ihany. Samy nifanome toky moa ny roa tonta fa dia hifanaja ka hanohy ny asa araka ny tokony ho izy.

Marihina fa niantso vonjy tamin’ireo loholona sy raiamandreny ary ireo fikambanana samihafa afaka niara-miasa taminy ny tetikasa Ambatovy nandaminana ny savorovoro nitranga tao. Nihenjana mantsy ny tady ny herinandro lasa iny, indrindra tamin’ny nampiasan’ny Emmo-Reg grenady lakrimôzena nandravana ny mpiasa nitokona tao Tanandava. Fito ny naratra tamin’izay. Niditra an-tsehatra nandamina ny ekipan’ny faritra Atsinanana. Efa nandalo tao koa ny alatsinainy teo ny raiamandreny sy loholona notarihan’i Fanony Fulgence. Toy izany koa ny praiministry ny FAT, Camille Vital.
 
Nangonin’i Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT