Actualités

Ambatovinaky Nesorin’ny CUA ilay vatobe mety hitera-doza


  • Zoma 02 Martsa 2018

Vato iray lehibe milanja 4 taonina ahiana hampidi-doza teny amin’ny fokontany Ambatovinaky sy Amparibe Ambohidahy Avaratr’i Mahamasina no nesorin’ny ekipan’ny mpamonjy voina avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly alakamisy 01 martsa 2018

 tokony ho tamin’ny 7 ora maraina. Mpamonjy voina avy amin’ny kaominina Antananarivo miisa 24 no nampiasa ny traikefany sy niezaka niaro ny ain’ny mponina sy ny fananany tamin’ny fanatanterahana ny asany. Nisy ny fidinana ifotony teny an-toerana nataon’ireo manampahaizana avy amin’ireo sampandraharaha misahana ny fiomanana sy fisorohana ny loza voajanahary (BNGRC) sy ny sampana mpamonjy voina mialoha izao fanapahan-kevitra izao. Nizotra tamim-pilaminana ny fanesorana ilay vato be ary nitohy ny fiainana andavanandron’ny mponina teny an-toerana. Nanamafy ny fanentanana ireo mponina hatrany ny kaominina Antananarivo Renivohitra, mba samy ho mailo ary hampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra na hiantso ny mpamonjy voina raha vao misy ny tranga mampiahiahy, toy izao. Ankoatra izay, maro ny manana ahiahy eny Ambaninampamarinana, Mahamasina sy ny manodidina. Voalaza fa mihamiendaka tsikelikely ireo vatolampy madinika (1taonina-4taonina-70taonina) manemitra ny harambaton'Ampamarinana ka dia ahiana ny hihotsahany raha izao toetry ny andro manorana matetika izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT