Jiolahy 8 efa raindahiny amin’ny sintomahery sy vaky trano ao Ambatondrazaka no nifanehitra tamin’ny polisim-pirenena any an-toerana ny faran’ny herinandro teo.
Sarona tany amin’izy ireo ny entana mitentina 3 600 000 Ar. Noho ny tsy fahampiana ara-pitaovana dia ny telo tamin’izy ireo no voasambotra fa ny dimy kosa tafaporitsaka. Manome toky anefa ny polisy ao Ambatondrazaka fa na ho ela na haingana dia tsy maintsy fongotra ny tsy fandriampahalemana fa mila fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka izy ireo. Ny fahazoana loharanom-baovao ara-potoana ihany no hahafahanay manafaingana ny asa, araka ny nambaran’ny lefitry ny Kaomisera Rasivison. Fantatra fa hametraka paik’ady vaovao izy ireo amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy, ka misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.