Actualités

Ambatondrazaka Raikitra ny «Couvre feu»


  • Talata 23 Oktobra 2012

Mikatona avokoa ny Bar sy ny Cabaret rehefa mipaika ny amin’ny sivy ora alina.

 Tsy azo atao ny mivezivezy tsy amin’antony mazava eo anelanelan’ny amin’ny sivy ora alina ka hatramin’ny dimy ora sy sasany maraina. Izay no fepetra noraisin’ny fiadidiana ny tanànan’Ambatondrazaka taorian’ny fihaonana tamin’ny mpitandro ny filaminana. Nihatra nanomboka ny sabotsy teo io fepetra io, «hifehezana ny filaminana». Be loatra mantsy ny olona mifamoivoy ao an-drenivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro, indrindra hatramin’ny nisian’ilay fitrandrahana safira sy volamena ao Didy. Na efa noraran’ny fanjakana aza izy io, dia mbola misy manao lalam-poza. Betsaka noho izany ny vola mifamezivezy, ka mampisy fakampanahy izay mazàna mitarika asan-jiolahy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT