Actualités

Ambatondrazaka Mitokona tsy mety mandoa haba ny mpamily fiarakaretsaka


  • Alarobia 28 Aprily 2010


Mitokona tsy mety mandoa ny haba alain’ny Kaominina aminy ireo mpamily fiarakaretsaka ao Ambatondrazaka nanomboka omaly. Miandry ny fanatanterahana ny fitakian’izy ireo ary efa nifanarahana tamin’ny Kaominina izy ireo dia ny fandrindrana ny asan’ny mpitatitra ao an-tampon-tanàna izay ifandroritan’ny fiarakaretsaka sy ireo taxi-moto. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nampanantena azy ireo ny Kaominina fa handamina ity resa-pitaterana ao an-tanàna ity, nefa mahatsiaro voarirarira tsy nohenoin-teny ireo mpampily fiarakaretsaka ireo. Etsy an-daniny, mbola manohy mitatitra ao an-tanàna ireo taxi-moto. Vokany, nanapa-kevitra tsy handoa haban’ny Kaominina ireto mpamily ireto. 400Ar isan’andro ny saran’ity haba ity. Milaza ny hanohy ny hetsika, ka tsy handoa io haba ireto mpamily ireto mandra-pivalin’ny fitakian’izy ireo. Miisa 70 eo ireo fiarakaretsaka miasa ao Ambatondrazaka. Anisan’ny miantoka ny fidiram-bolan’ny Kaominina ny haba aloan’ireto mpitatitra ireto. Hisy fiantraikany lehibe amin’ny kitapom-bolan’ny Kaominina sy ny fampandehanan-draharaha izany.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT