Voatery didiana mbola maitso ny vary any Alaotra amin’izao fotoana izao noho ny tsy fandriampahalemana mahazo laka any an-toerana. Etsy an-daniny dia mitaraina ny tantsaha fa tsy mitsahatra mitotongana ny vidim-bokatra ary manararaotra izay tsy izy ny mpanangom-bokatra. Tao anatin’ny herinandro fotsiny dia nihena ho 4000Ar ny iray vata amin’ny vary akotry raha toa ka 5000 izany teo aloha. Ny volan’ireo sehatra fampindramam-bola madinika toy ny CECAM sy OTIV anefa tsy maintsy averina, izy ireo rahateo mandodona mafy ny amin’izany. Tsy manan-tsafidy ny tantsaha ka voatery mivaro-mora ny variny. Eo anelanelan’ny 350Ar ka hatramin’ny 400Ar ny kilaon’ny akotry. Tamin’ny dinidinika nifanaovan’ny mpanao gazety any Ambatondrazaka tamin’ny tantsaha no nahalalana fa nanodidina ny 220.000 taonina ny voka-bary niala tany Alaotra tamin’ny taom-pamokarana 2009. Ny mahagaga, hoy izy ireo dia ny 120.000 taonina tamin’ireo ihany no nandalo fandanjana. Mametra-panontaniana ny tantsaha, fa nankaiza ny 100.000 taonina ambiny ? Nahatratra 546 ny isan’ny mpanangom-bokatra nahazo alalana tamin’ny taon-dasa, raha 1200 kosa ny fangatahana hitondra vary hivoaka an’Alaotra Mangoro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.