Actualités

Ambatondrazaka Miaro tena ireo mpanolotsain’ny tanàna


  • Zoma 29 Desambra 2017

Hentitra ireo mpanolotsaina ao amin'ny kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka raha nitafa tamin'ny mpanao gazety mahakasika ny tsikera mahazo azy ireo.

Nambaran’izy ireo fa manara-dalàna avokoa ny fanapahan-kevitra noraisina momba ny fanatsarana ny tanànan’Ambatondrazaka. Anisany ny fanorenana tsena vaovao ao amin'ny tokotany malalaky ny Stand Central. Nisy ny tolo-barotra natao ka izay sahy dia nifanaraka avy hatrany tamin'ny kaominina. Misy indray ireo tsy nahavita nikarakara ny taniny ho ara-dalàna ka nampirisihina hikarakara izany. Vokany, nitombo ny vola niditra ao amin'ny kitapom-bolan’ny kaominina Ambatondrazaka. Mahakasika ny fampiasana olon-tsotra ny zaridaina ao Antsahatanteraka dia nanamarika ireo mpanolotsaina fa tapitra amin'ny faran’ity taona ity ny fampiasana azy. Efa mizotra ny asa fampandrosoana ny kaominina Ambatondrazaka, hoy i Tonton Manga izay mpitondratenin’ny mpanolotsaina.

Niry A.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT