Actualités

Ambatondrazaka MD ilay mpamily nahafaty mpanala bacc


  • Alarobia 07 Jolay 2010

Niakatra fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatondrazaka omaly talata 06 jolay ilay mpamilin’ny fiara Renault Trafic nandona ka nahafaty tovovavy 19 taona, mpianatra avy naka taratasy fiantsoana momba ny fanadinana bakalôrea

Tsy vitan’izay fa mbola nandratra vehivavy iray hafa, 23 taona, ihany koa ity fiara ity. Ny alatsinainy 28 jona 2010 no nitrangan’ny loza. Manao zotra rezionaly, mampitohy an’i Moramanga amin’ Ambatondrazaka ilay fiara. Tsy nitondra mpandeha izy tamin’io. Nentin’ny mpamily nitsoaka avy hatrany moa ilay fiara taorian’ny loza. Ny tsy nampoiziny dia nisy nahatsikaritra ny nisehoany, ka voatanan’ny olona ny laharan’ilay fiara. Misy mpahalala rahateo ingahy mpamily. Natao ny fikarohana azy. Ilay fiara no hita voalohany. Fantatra ny laharana findain’ny mpamily, mandray antso tokoa ranamana araka ny loharanom-baovao saingy miovaova hatrany ny toerana ambarany, ka nampanano sarotra ny fisamborana azy. Nanohy ny fitsongoana dia anefa ny polisy ary dia nahitam-bokatra izany. Tratra tao amin’ny fokontany Anosindrafilo ny zoma 02 jolay teo ilay mpamily rehefa herinandro nanaovana fangalapiery tamin’ny mpitandro ny filaminana, dia izy natolotra ny fitsarana omaly io taorian’ny fanadihadiana azy. Ny loza nitarika fahafatesana olona ihany moa dia efa vesatra mety hidirany am-ponja. Koa dia ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka ity mpamily ity no miandry ny fitsarana azy. 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT