Mety tsy ho zava-baovao nefa manaitra ny matihanina amin’ny fitaterana ny mahita fiaraben’ny miaramila mifaninana amin’izy ireo mitatitra vokatry ny tantsaha. Ao Ambatondrazaka no misy ity tranga ity aloha hatreto. Ary dia miaramila mihitsy no manao ny fanaon’ny mpanera mandrombaka ny entan’ny olona mpandefa vokatra aty Antananarivo sy Toamasina. Toerana roa dia ao Antsahatanteraka akaikin’ny zandary na Somacodis taloha no famenoana entana toy ny voatabia sy angivy ny kamio. Araka ny fantatra 15 Ar isaky ny kilao ny sarany mankaty tanàna, ary manao dokambarotra mihitsy ireto miaramila ireto fa ny azy no mora. Ny manaitra dia tsy fantatry ny olona any Ambatondrazaka, eny any Alaotra mihitsy aza hoe iza marina ireto miaramila ireto. Ny fanontaniana mipetraka eto izany dia ny hoe, iza no maniraka ireto andia-miaramila ireto hikarama mitatitra ? Mankaiza ny vola raisin’izy ireo ? Tsiliantsofina ny hoe : tsy ampy vatsy ireto miaramila ireto no mahatonga azy hanao izao asam-pitaterana izao. Hafa kely !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.