Nanomboka omaly alarobia 19 jolay 2017 tany Ambatondrazaka ny tsenabe Tangorona ho an’ny Faritra Alaotra Mangoro izay haharitra 4 andro ka tsy hifarana raha tsy ny sabotsy 22 jolay 2017.
Ny distrika 5 ao amin’ity Faritra ity no handray anjara amin’ny hetsika. Koa satria amin’ny zoma 21 jolay no hanatanterahana ny lanonana fanokafana ofisialy an’ity tsenabe ity dia fantatra fa efa mihetsiketsika ny HVM manerana an’ity Faritra ity mitaona olona karamaina toy ny mahazatra hanatrika ny lanonana fa ho avy any ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny hetsika ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro, Ranarisoa Désiré.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.