Actualités

Ambatondrazaka Anjakan’ny barofo any amin’ny kariera


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Nahazo fampitam-baovao ny zandary tany amin’ny Kaominina Tanambe fa misy andian’olona mitondra basy mahery vaika any amin’ny fitrandrahana vato ka maka an-keriny izay vato azon’ny mpitrandraka.

 

 Rehefa tonga tany an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigady Tanambe ny 01 septambra 2015 tokony ho tamin’ny dimy ora maraina dia nifanehitra tamin’ny dahalo telo lahy nitondra gony. Nasain’ireo zandary nijanona izy ireo, saingy namaly ary tafatsoaka. Tavela ny gony nentin’izy ireo ary rehefa nosavaina dia nahitana basy kalaky roa misy tranom-bala roa sy bala telopolo ary kara-panondro iray. Mifarimbona mikaroka ireo olon-dratsy telo tafatsoaka ireo amin’izao ny zandary avy ao amin’ny PA Imerimandroso sy PA Vohimena no manampy ny borigadin’i Tanambe.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT