Actualités

Ambatolampy-Vakinankaratra Tsy manaiky ny hidiran’ny Sinoa hitrandraka volamena


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

“Aleo misoroka toy izay mitsabo”, hoy ny depiote Randrianjanahary Soloniaina Olivier voafidy tany amin’ny distrikan’Ambatolampy Vakinankaratra,

mikasika ny toe-java-misy any amin’ity distrika misy azy ity ankehitriny dia ny fitadiavan’ny teratany sinoa hitrandraka bontolo ny volamena misy ao amin’ny kaominin’i Belambo sy Morarano avy amin’ny tany namidin’ny orinasa Tanetilava tamin’izy ireo. Lasa matahotra vahiny ny vahoaka any an-toerana, hoy ity depiote ity, noho ny fitondran’ireo sinoa “machine détecteur” ary miditra ankitsirano ao an-tokotanin’olona rehetra mihitsy. Tsy manana taratasy am-pelatanany izy ireo afa-tsy ny “permis environnementale”. Hentitra ny teninay, hoy ny depiote Soloniana Olivier, tsy mila sinoa manorim-ponenana any aminay izahay fa manimba ny fiharian-karenan’ny mponina ankitsirano izao izy ireo.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT