Actualités

Ambatolampy Kamiao iray tratra nitondra lalam-by halatra


  • Alarobia 16 Septambra 2015

Saron’ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Ambatolampy ny alin’ny Alahady lasa teo ny kamiao iray lehibe nitondra vy halatra avy amin’ny lalam-bin’ny orinasa Madarail any Andasibe

.Nitondra fasika ity kamiao  ity ary nandritra ny fotoana  nahatrarana azy  ka tena miletaka ambany dia ambany tokony, antony niteraka ahiahy taminy. Maty teo Ambanimaso izy vokatr’izany saingy mbola tsy naninona ihany. Ny marainan’ny Alatsinainy, 14 Septambra teo dia nisy kamiao  iray tonga  hitarika ity kamiao ity hiala teo amin’io toerana io. Nanatona araka izany ny Polisy nanao ny fizahana ka vy avy amin’ny lalamby saika ho entina any Ambohimandroso  no tratra tao ambanin’ireo fasika nentiny. Vy milanja 3.176 Kg izay mitsinjara ho: -4 barres de rail amin’ny 4 m milanja 36 Kg ny 1 metatra -26 barres de rail amin’ny 4 m milanja 25 Kg ny iray metatra  miampy traverse métalique milanja 30 Kg.  Efa voatana ao Ambatolampy ny tompon’ny kamiao raha lasa nandositra kosa ilay mpamily. Efa nantsoina ny tompon’andraikitry ny MADARAIL, raha araka ny vaovao azo hatrany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT