Tetsy Ambatofotsy-Morarano no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity. Fiara 4X4 iray an’ny fiadidiana ny FAT no nifaoka ity lehilahy iray nandeha bisikileta tetsy amin’ny RN7 PK 10. Naratra io farany ka avy hatrany dia nentina teny amin’ny hopitaly faran’izay akaiky. Avotra ihany ny ainy ary nisy ny fanadihadiana izay nosokafan’ny zandary etsy Ambatolampy. Fantatra tamin’izany ary fa miaramila izay mitondra ny galona sergent ilay nahavanon-doza. Eo anivon’ny 1er RFI izy io no miasa. Nolazainy fa mamo ilay olona nitaingina bisikileta nandritra ny fihainoana azy. Raha tsiahivina dia vao haingana no nisy fahafatesan’olona izay nofaohin’ny kortezy nitondra ny filohan’ny FAT tetsy Antanimena. Namoy ny ainy hatramin’ilay polisy nitondra ny môtô mpanokatra lalana aza tamin’io loza io. Ny an’ny etsy Mahazoarivo ihany koa dia efa nandona mpianatra teny Avaradoha izay naratra mafy ka voatery nentina teny amin’ny hopitaly Soavinandriana. Indraindray toa mampanontany tena hoe ny olona ve no tsy mitandrina sa kosa ireo kortezy mitondra manampahefana no mandeha mafy loatra ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.