Olona roa indray no maty vokatry ny lozam-piarakodia teny Ambatofotsy ny sabotsy teo. Araka ny fantatra dia fiara 4x4 pick-up avy eny Ambohitsorohitra ity nitrongy fiara mpitatitra iray mampitohy an’Ambohimiadana ity. Tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany tolakandro no nitranga ny loza. Avy any atsimo ilay fiara 4x4 ary avy aty an-drenivohitra ilay fiara minibus nitondra olona am-polony. Rehefa tonga teo ambonin’ny tonelina hihazo an’Ambatofotsy dia nifandona ny roa tonta. Ireo izay nahita no nilaza fa nadeha mafy ilay fiara 4x4 ary somary nibahana ny lalana. Efa nahazoazo alikaola koa no fahitan’ny olona ireo miaramila tao anatin’io fiara io. Ilay minibus anefa tsy afaka naka sisiny loatra satria hantsana no tamin’ny sisiny. Mafy ny fifandonana ka potika tanteraka ny lohan’ilay fiara 4x4. Ilay minibus kosa na dia somary afa-nandeha ihany aza tsy lasa lavitra satria tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana. Nivarina tany anaty hantsana manodidina ny 10 metatra ilay fiara taorian’izay. Vokany, 15 no fantatra fa naratra mafy ary roa kosa no maty. Tamin’ireo naratra dia nahitana tapa-tanana sy tongotra. Tao ihany koa ireo poa-maso mihitsy. Asa aloha raha mba hahazo ny zony indray ireto niharam-boina ireto na hiala maina tahaka ilay maty nodonin’ny moto teny Antanimena vao tsy ela akory izay. Ho hita eo ihany ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.