Actualités

Ambatofotsy «Bois de rose» sy «palissandre» 350 isa saika sarona


  • Alatsinainy 17 Mey 2010


Araka ny loharam-baovao dia andramena na «bois de rose» sy voamboana na «palissandre» 350 isa no saron’ny zandary teny Ambatofotsy omaly. Avy any Morondava ireto hazo ireto, araka ny fanampim-baovao, saingy tsy fantatra izay tena hitondrana azy. Misy koa anefa ny milaza fa avy ao amin’ny lapan’Iavoloha izy ireto ka entina hafenina. Taratasy «laisser passer» fotsiny moa no teny amin’ireo mpamily ilay kamio nitondra ireto hazo ireto.

Rehefa saron’ny zandary ilay kamio dia najanona tao amin’ny tobin-janaparitry ny zandary tao an-toerana ihany omaly. Rehefa harivariva anefa dia nahagaga fa tsy tao intsony ilay kamio niaraka tamin’ireo hazo sarobidy. Efa nisy baiko avy any ambony sahady nampaka ilay izy, hoy ny loharanom-baovao.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT