andriaka ny ra teny Ambatobe omaly tolakandro. Karana lahy mpianaka, 43 taona sy 5 taona eo, no naratra mafy nisy nitifitra tao anaty fiara kely nentin’izy ireo hamonjy fodiana eny amin’ny Résidence
«Le Panoramique» omaly tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany teo. Raha ny filazan’ny teny an-toerana dia nisy fiara tsy mataho-dalana iray, marika Nissan saingy sady tsy nisy laharana no fitaratra mainty, nentina vehivavy metisy iray fotsy fihodirana nanenjika an’ilay fiara kely ary nisongona azy tamin’ny lalana rarivato somary teritery ary nibahan-dalana vantany vao tafasongona. Nisy lehilahy misarontava nivoaka avy ao anaty ilay 4x4, ary nitifitra avy hatrany. Niantefa teo amin’ny tratra sy ny sandrin’ilay karana lahy fantatra amin’ny anarana Reza Mamod, izay namily ilay fiara kely, ny bala miisa 3, voa ihany koa ilay zanany lahikely. Voalaza fa nirifatra nitsoaka nihazo ny lalana misy sampanana mihazo an’Antsampandrano iny ilay 4x4 sy ireo tao anatiny taorian’izay. Izy mianaka naratra mafy kosa nifamonjen’ny teny manodidina, nentina haingana namonjy ny hopitaly HJRA Ampefiloha, ary mbola tao amin’ny efitra famelomanaina tamin’ny folo ora alina nahazoana vaovao farany. Valifaty sa fikasana haka an-keriny tsy tanteraka ? Nanao savahao nikaroka an’ilay fiara 4x4 ny zandary taorian’ny loza. Mpitantana hotely any Antsiranana ity teratany Karana nisy nitifitra teny Ambatobe omaly ity , fa eto an-drenivohitra miandry vohoka ny vadiny ho teraka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.